Malagasy | Français | English

Province autonome d'Antananarivo



Le Gouvernorat


Les Commissariats
Généraux



Qu'est-ce qu'une
province autonome ?



La province autonome
d'Antananarivo








LE GOUVERNEUR - DOCUMENTS

Discours du Gouverneur

KABARIN'ANDRIAMATOA PASCAL RAKOTOMAVO NY 12 JONA 2001
Tompokolahy sy Tompokovavy isany Loholona, Solombavam-bahoaka ary Mpanolon-tsaim-paritra voafidy teto amin'ny Faritany Mizakatenan'Antananarivo. Vory etoana isika amin'izao andro iray toa zato eo amin'ny Tantaran'i Madagasikara sy ny Tantaran'ny Faritany Mizakatenan'Antananarivo izao. Androany tokoa mantsy no hanendrenareo izay lanieranareo ho Governora voalohan'ny Faritany Mizakatenan'Antananarivo. Mamela ahy ianareo hilazalaza amin'ny ambangovangony ny vinavina sy ny toky mba tiako hapetraka amin'ny vahoakan'ny Faritany Mizakatenan'Antananarivo ity. Anteriko hatrany fa tsy programan'asa velively no alahatro izao satria tsy mbola fotoanany izao fa fametrahana ireo hevi-baventy hibaiko ny fijery ary handrindra ny fomba fiasa ho amin'ny dimy taona manaraka.

I - NY VATO FEHIZORO : NY MAHA-ANTANANARIVO AN'ANTANANARIVO
1. Tsara ihany aloha raha tsiahivina ny famaritana apetraky ny Lalàm-panorenana :
" Firenena iray ny vahoaka Malagasy ka mivondrona ho Fanjakana masi-mandidy sy laika, miorina amin'ny rafitra ikambanan'ny faritany mizakatena ka ny fahefana sy ny foto-kevi-pitondrana ao aminy dia voafaritra sy iantohan'ny Lalàm-panorenana.
2. Isan'ireo faritany enina mizakatena ny Faritan'Antananarivo saingy manan-ko tantaraina manokana izy satria dia saika ho ilay Imerina Enin-Toko novorian'Andrianampoinimerina tamin'ny taonjato faha-18 no nanjary Faritanin'Antananarivo ankehitriny dia tsy iza moa izany fa Avaradrano sy Imamo izay natao zanak'Avaradrano, Vakinisisaony, Marovatana, Ambodirano, Vonizongo ary Vakinankaratra.
3. Tiako ny mampahatsiahy amintsika rehetra manoloana ankehitriny fa ny fametrahana ny rafitry ny Faritany Mizakatena dia dingana iray lehibe eo anivon'ny tantaran'ny Firenena Malagasy izay ho tsarain'ny Taranaka rehetra hifandimby. Ao aoriana kely ao dia hiara-hiasa avy hatrany isika rehetra hamolavola ny Lalàna sata izay hifehy ny fomba hitantanantsika ny Farintanintsika. Io Lalàna sata io ary koa ny lalàm-panorenana dia manome sehatra lehibe tokoa amin'ny famoahana hitsivolana sy fehezan-dalàna eo amin'ny Faritany. Hisy noho izany sampam-panjakana eo anivon'ny Faritany izay miankina amin'ny famindram-pahefana avy aty amin'ny Fanjakana Foibe.

II - NY MAHA -OLONA NO HARENA
4. Raha zohina ny ara-tantara voalaza teo aloha dia misongadina fa ny soatoavinan'Imerina dia tsy mitoetra fotsiny amin'ny toerana, na ny faritra nomen-janahary azy, fa amin'ny saina mandinika sy mandalina dia ny maha-olona no tena harena. Isika rahateo koa moa Repoblika " humaniste ".
Harena ny maha-olona satria nomen'Andriamanitra fo sy saina ary safidy. Nolovaina tamin'ny tantara koa ny soa toavina toy ny fiaraha-monina, ny fiaraha-mientana, ny fihavanana ary farany dia ny asa. Ireo soa toavina ireo, na dia hikambanan'ny Malagasy rehetra dia nokolokoloina manokana teto Imerina.
Ao anatin'ny fanomezan-danja ny maha-olona dia tiako singanina manokana ny tokony handraisantsika ny teny " Ecologie ". Raha halalinina dia ao anatin'ny tsirairay no tena fonenana, izay midika tsotra hoe : " olona vorisaina, olom-banona, tompon'andraikitra ny tenany dia afaka miahy sy mampivelatra ny ankohonany ary mampiadana ny tokan-tranony. Koa izay mahasoa ny tokan-trano iray dia mahasoa ny tanàna, ary izay mahasoa ny tanàna dia mahasoa ny Faritany, ary izay mahasoa ny Faritany no mahasoa ny Firenena.
Raha fehezina izany dia ireo voatanisa ireo izay lova napetraky ny teo aloha ary tokony hitondra antsika mora foana amin'ny fitantanana mahomby.

III- FITANTANANA MAHOMBY
5. Fitantanana toa inona ary no mahomby sy mendrika ary mifanaraka amin'ny soa toavina voalaza teo ambony eto amin'ny Faritany Mizakatenan'Antananarivo ? Leo ny olona amin'ny fanodikodinana ny volam-panjakana sy ny hosoka amin'ny endriny samihafa ka miteraka ireo sokajin'olona manankarena tampoka. " Ny fitantanana ampahamarinana ao anatin'ny mangarahara no vaha-olana amin'izany.
  • Tsy misy tampenam-bava, samy manao izay mahasoa ny tenany nefa tsy maningotra ny zon'ny hafa dia midika fa " Faritany tan-dalàna no apetraka ".
  • Ny hevitra botolo tsy mitera-bokatsoa, ary ny tondro tokana tsy mahazo hao, ny miholonolona irery tsy havitan-javatra, fa ny fifanakalozan-kevitra maharitra no ahafahana mandravona ny hoe : " Ny hevitry ny maro no mahataka-davitra ary ahitana tombontsoa iombonana ". " Ny hevitry ny maro no Fanjakana " hoy Andrianampoinimerina.

Ny finoana dia ny fitadiavana ny tetika ho amin'ny fitantanana mahomby sy lavorary, dia mivohitra amin'ny fitrandrahana ny Fiaraha-monina mirindra izay ho kitro hifaharan'ny fampandrosoana.
Ka raha fampandrosoana no tenenina, dia inona ny tanjona kinendry mifanandrify amin'izany ?

IV - NY TANJONA KINENDRY
6. Vaindohan-draharaha ny hirosoana hanatratra ny tanjona kinendry izay voafaoka ato amin'ireto loha-hevitra 3 lehibe ireto :
¤ Ny Fitantanana mahomby sy lavorary dia manainga ny olon-drehetra tsy ankanavaka hiara hifarimbona sy hifanome tànana isan'ambaratonga ary mifantoka amin'ny vokatra andrasana. Io fitantanana mahomby io dia mila olom-pirenena manana zo fa koa manana andraikitra eo amin'ny fiaraha-monina.
¤ Ny tanjona izay hapetraka dia mivantana isam-batan'olona sy miantraika amin'ny tsirairay avy mba hampitsahatra ny tosiky ny fahantrana izay toa azo lazaina fa aretina raiki-tampisaka sy manolo-koditra ka mikiky ny maha-olona.
¤ Ny fampiakarana haingana sy amin'ny fomba maharitra ny harin-karena faobe eto amin'ny Faritany.

V - AHOANA NY AHATONGAVANA AMIN'IZANY ?
7. Asa fa tsy kabary ary no hatao, koa mamporisika tsy mihambahamba ny rehetra izay manana tsiri-kevitra, na vinavinan'asa ho fampandrosoana nameran'ny Faritany izay voasokajy. Tononina amin'izany ohatra ny Fanjakana, ny Kaominina, ny Fivondronana, ny Fokontany, ny mpandraharaha ara-toe-karena , ny Fikambanana tsy miankina, ny mpampiasa vola, ny fikambanana iraisam-pirenena, ary ny olon-tsotra rehetra. Tsy misy ny manosi-boho-tànana ary hatao toy ny hanakandriamaso ny " citoyenneté de résidence " fa malalaka ny fifarimbonana tsy ankanavaka mba hisian'ny tena Fampandrosoana marina. Tandrovana manokana ny fiarovana ny isam-batan'olona, sy ny fahafahan'ny olona sy ny renivola mivezivezy satria ny tombontsoa iombonana no tarigetra.
Eo anoloan'ny fandrenesana ny tsiri-kevitra sy ny vinavinan'asa voalaza etsy ambony dia toky no homena fa tsy Fanjakana manjakazaka amin'ny vahoaka no apetraka, fa Fanjakana miara-misalaha sy mifarimbona amin'ny vahoaka.
8. Manaraka izany izay tsy latsa-danja ihany koa dia ny fampitaovana ho hery manosika ny fampandrosoana ao anatin'ny fifehezana mavitrika ny teknolojia vaovao, toy ny NTIC (solontsaina, fifandraisan-davitra ary tambatserasera) sy ny teknolojia ara-biolojika. Izany dia aparitaka manerana ny ambaratonga mpitantana mahefa rehetra toy ny Fivondronana, Kaominina etsetra … ary hatao misandrahaka sy miantefa amin'ny sehatra rehetra toy ny fitsaboana , ny fampianarana, ny famoronan'asa, ny fikarohana, ny fambolena ka ho vy miaina iray hiteraka fampandrosoana eo amin'ny sehatra rehetra.
9. Farany, tena zava-dehibe ny fanekena fa manana ny lanjany manokana ny fivelaran'ny maha-olombelona manoloana ny fifehezana ny onjan'ny fandrosoana koa ny olona bado sy ny tsy mahay dia tsy mivoatra sy tsy afaka ampandrosoina. Koa heverina fa zavatra tsy afa-misaraka amin'ny fampandroasoana ny fampivelarana sy fanitarana ny ambaindain'ny Fiofanana arak'asa " Economie du savoir ".
Mety hanontany ahy ianareo hoe ahoana ny vokatra azo handrasana ?
























Vision 2010


Programme
de la Province



Organigramme






Pour toute information: gov.infos@gov-antananarivo.mg